Luke 3

1Tamin’ny taona faha dimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberie Kaisara - fony Pontio Pilato no goveronoran’i Jodia, Heroda dia mpanapaka tao Galilia, Filipo ralahiny dia mpanapaka tao amin’ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania dia mpanapak’i Abilena, 2nandritry ny fisoronam-ben’i Aniasy sy Kaiafa - dia tonga tamin’i Jaona zanaka lahin’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.

3Nandeha tany amin’ireo faritra rehetra manodidina an’ny Jordana Izy, nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelana ireo heloka.

4Araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’ny Isaia mpaminany hoe: “Nisy feo iray niantso mafy avy any an’efitra hoe: ‘Ataovy vonona ny lalan’ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.

5Ny lohasaha rehetra ho totofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana hahetry, ary ny lalana miholaka dia amboarina hahitsy, ary ny toerana mikitoantoana dia ho atao lalana, 6ary ny nofo rehetra dia hahita ny famonjenan‘Andriamanitra.”’

7Koa niteny tamin’ireo vaohaka izay tonga ho ataony batisa i Jaona hoe: “Ianareo ry taranaky ny menarana! Iza no nampitandrina anareo mba handositra ny fahatezerana izay ho avy?

8Noho izany, mamokara voa mendrika ny fibebahana, ary aza manomboka miteny ao anatinareo hoe: ‘Izahay manana an’i Abrahama ho rainay,’ fa miteny anareo aho fa Andriamanitra dia afaka manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.

9Ankehitriny aza ny famaky dia mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo. Koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia voakapa ary hatsipy any amin’ny afo.”

10Ary ireo vaohaka dia nanontany azy hatrany, niteny hoe: “Inona ary no ataonay?” 11Namaly izy ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Raha misy olona manana akanjo lava roa, tokony mizara izany amin’ny olona iray izay tsy manana izy, ary izay manana sakafo koa dia tokony hanao toy izany.”

12Ireo mpamory hetra koa dia tonga mba hatao batisa, ary niteny taminy hoe: “Mpampianatra o, inona no tsy maintsy ataonay?” 13Izy niteny azy ireo hoe: “Aza manangona vola mihoatra noho izay nasaina halainareo.”

14Miaramila maromaro koa nanontany azy, niteny hoe: “Ahoana ny momba anay? Inona no tsy maintsy ataonay?” Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Aza maka vola amin’olona an-keriny, ary aza miapanga lainga olona. Mifalia amin’ny karamanareo.”

15Ary raha niandry fatratra ny fahatongavan’i Kristy ny vaohaka, dia nanontany tao am-pony ny mahakasikan’i Jaona ny tsirairay, na mety ho izy na tsy izy no Kristy. 16Jaona namaly tamin’ny fitenenana azy rehetra hoe: “Raha ny amiko, dia manao batisa anareo amin’ny rano aho, fa misy olona iray ho avy izay mahery mihoatra ahy, ary tsy mendrika aho na dia hamaha ireo fehi-kapany aza. Hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo Izy.

17Eo an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana tsara ny ao am-pomoloany sy hanangonana ny vary ho any amin’ny sompiny. Fa ho dorany amin’ny afo tsy mety vonoina ny akofa.”

18Niaraka tamin’ny fananarana maro hafa ihany koa, Jaona nitory vaovao tsara ho an’ny vahoaka. 19Heroda mpanapaka Rehefa nanarina nohon’ny fanambadiana ny vadin-drahalahiny Herodiasy, sy nohon’ny zavatra ratsy hafa rehetra izay vitany, 20dia ho fanampin’izany rehetra izany, dia nidiny tany am-ponja Jaona.

21Ary, rehefa vita batisa avokoa ny olona rehetra, dia natao batisa koa Jesosy, ary raha mbola nivavaka izy, dia nisokatra ny lanitra, 22ary ny Fanahy Masina naka endrika ka nidina teo aminy tahaka ny voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako, malalako. Faly Aho nohon’ny aminao.”

23Rehefa nanomboka ny asa fanompoany Jesosy, dia teo amin’ny telo-polo taona teo Izy. Izy no zanaka lahin’i (araky ny fiheverana) Josefa, zanak’i Hely, 24zanak’i Matata, zanak’i Levy, zanak’i Melky, zanak’i Janay, zanak’i Josefa.

25Josefa dia zanak’i Matitia, zanak’i Amosa, zanak’i Nahoma, zanak’i Elsy, zanak’i Nagay, zanak’i Mata, 26zanak’i Matatia, zanak’i Semey, zanak’i Joseka, zanak’i Joda.

27Joda dia zanak’i Joanana, zanak’i Rase, zanak’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, zanak’i Nery, 28zanak’i Melky, zanak’i Ady, zanak’i kosama, zanak’i Elmadama, zank’i Era, 29zanak’i Josoa, zanak’i Eliezara, zanak’i Joreima, zanak’i Matata, zanak’i Levy.

30Levy dia zanak’i Simeona, zanak’i Joda, zanak’i Josefa, zanak’i Jonama, zanak’i Eliakima, 31zanak’i Melea, zanak’i Mena, zanak’i Matata, zanak’i Natana, zanak’i Davida, 32zanak’i Jese, zanak’i Obeda, zanak’i Boaza, zanak’i Salmona, zanak’i Nahasona.

33Nahasona dia zanak’i Aminadaba, zanak’i Adimina, zanak’i Arny, zanak’i Hezrona, zanak’i Fazera, zanak’i Joda, 34zanak’i Jakoba, zanak’i Isaka, zanak’i Abrahama, zanak’i Tera, zanak’i Nahora, 35zanak’i Seroga, zanak’i Reo, zanak’i Palega, zanak’i Ebera, zanak’i Sela.

36Sela dia zanak’i Kenana, zanak’i Arpaksada, zanak’i Sema, zanak’i Noa, zanak’i Lameka, zanak’i 37Metosela, zanak’i Enoka, zanak’i Jareda, zanak’i Mahalalila, zanak’i Kenana, zanak’i Enosa, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra.

38

Copyright information for PltULB